Anda di halaman 1dari 1

Rahoviana ihany re ?

Hiandry lalàna ve vao ho marina, Hiandry voadona ve vao hihilana,


Ka variana miady amin'ny ity zara vilana ?
Ka mila taraina vao afaka hanarina ?

Hiandry taritina ve vao hanainga, Ndrao lany andro amin'ny fialamboly !


Ka hiandry mosary vao ndeha aho hamboly.
Ndrao re tsisy mpitarika vao lany lainga ?

Hiandry tairina ve vao hifoha Mila mangataka foana va re !


Sa mila tolorana vao hanome ?
Ka tsy mba hiezaka ny ho taitra aloha ?

Hiandry atosika ve vao handroso, Omeo omeo foana toy ny fanaon'ny saka
Ka tsy mba hitsemboka aloha izay vao mba maka !
Injay fa gaga rehefa mikoroso ?

Hiandry baikoana ve vao hanao, Miandry tolorana ve vao hizara,


Ho zatra ny omeo, izay vao ho tara ?
Ka tsy mba mikaroka izay tokony ho atao ?

Hiandry velomina ve vao hiaina, Sa nampanantenaina ny màna hilatsaka !


Ka tsy mba hiompy sy tsy mba hatsàka ?
Ka mila atoro ny zavatra ilaina ?

Hiandry tiavina ve vao ho tia, Rahoviana no hifaly amin'izay kely anànana,


Ka hankasitraka amin'izay kely an-tànana ?
Sao dia lasa ambom-po ilay tena fitia ?

Mila mijery ve vao mahita mamiratra ? Hiandry tsaboina ve vao te ho salama,


Toy ireo marokoroko mba te halàmalàma ?
Tsy gaga aho raha jamba no tena mahiratra !

Hiandry rahoviana vao mba haka aina


Sa aleo ho voalàtsa, avy eo maka saina ?

Hiandry sambatra ve vao hifaly,


Avy eo tonga saina rehefa mijaly ?

Tsingerin-taona ve vao ndeha hankafy


Ny tena hamamin'ny ity fiainana ity ?

Iandrasana ho potika ve vao ho kojaina


Ka sahirana avy eo mitaraina ?

Sa iandrasana ho an-tanan'ny hafa ve ?


Vao ho fantatra ny hatsaràny.

Mila atoro ve vao tena mahare, Rahoviana ihany vao tsy hanao ampitso lava,
Toa variana mifanjàna sy mifampiandry ?
Moa tsy ny mihaino no zava-dehibe ?

Hiandry kotaba ve vao mahay mangina, Indro variana manjeny ny andro ho lava,
Nandalo ihany ny taona, tsy hita hoe ahoana.
Ka ny savorovoro indray no mahaliana ?

Tratry ny tery ve vao mitady malàlaka, Asa, zatra miandry tokoa vare ?
Ka iandràsana foana, rahoviana ihany re ?
Iza amin'izany no tsy mba ho valaka ?

Mila ditra ve vao fahendrena,


Mi.
Sa mila tenenina vao ahatsapa tena ?
Sept 09.
Hiandry saziana ve vao ho fay,
Ka mila lesona izay vao mahay ?

Anda mungkin juga menyukai